| Résumé : |
Efa tonga manana lazany eo amin'ny tantaran'i Madagasikara ny vanin'andro 29 mars 1947. Nanomboka tamin'ny fitsingerenan'ny faha-roapolo taona nitrangany, dia nanjary Androm-pirenena tsarovana amim-panginana sy fieritreretana hatrany isan-taona izy.
Efa nisy tokoa, nefa mbola vitsy, nanao an-tsoratra ny dinidinika samy hafa mikasika ny lafiny sasany momba iny raharaha tamin'ny 29 marsa 1947 iny. Tsy azo lazaina velively ho efa voambara avokoa anefa ny zava-drehetra. Ho hitanao fa vaovao mbola tsy niseho talohan'izao dinidinika hazavain'ny mpanoratra ato anatin'ny bokiny.
[La journée du 29 mars 1947, célébrée à partir de son 20e anniversaire commence à bien être connue, même si on a que peu d'écrits sur cette journée. Ici l'auteur, nous délivre des nouvelles histoires sur cette journée.] |